Hosea 8:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanangana mpanjaka ireo nefa tsy avy tamiko; nifidy mpanapaka izy nefa tsy fantatro. Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampy mba hamongorana azy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izy ireo nananga-mpanjaka, nefa tsy avy amiko; nanendry mpanapaka nefa tsy nahalala an’ireo Aho; nanao sampy tamin’ny volafotsiny amam-bolamenany, mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanangana mpanjaka izay tsy nofidiko izy ary nanendry filoha izay tsy fantatro akory. Nanaovany sampy ny volafotsy na ny volamenany mba ho fongotra aminy.
Malagasy Bible 1865
Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanangana mpanjaka ireo nefa tsy avy tamiko; nifidy mpanapaka izy nefa tsy fantatro. Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampy mba hamongorana azy!
malagasy
Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.