Hosea 8:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa avy tamin’ny Israely ireny; mpahay taozavatra no nanao azy ka tsy andriamanitra io! Ho torotoro ny ombilahikelin’i Samaria.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa avy amin’i Israely koa izy; mpanao taozavatra no nanamboatra azy, ka tsy Andriamanitra izy io; fa hotorotoroina ny zanak’ombin’i Samaria!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa avy tamin’i Israely io ombilahikely io, mpahay taozavatra no namboatra azy, ka dia tsy Andriamanitra izy; eny, ho montsamontsana ilay ombilahikelin’i Samaria.
Malagasy Bible 1865
Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa avy tamin’ny Israely ireny; mpahay taozavatra no nanao azy ka tsy andriamanitra io! Ho torotoro ny ombilahikelin’i Samaria.
malagasy
Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.