Hosea 9:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mifaly ry Israely, aza faly loatra toy ny firenena hafa, fa efa nijangajanga niala tamin’Andriamanitrao ianao, sady efa tia karama maloto teny am-pamoloana rehetra teny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza miarana amin’ny fifaliana, ry Israely, na amin’ny firavoravoana toy ny firenena. Fa ianao, efa nitolo-tena amin’ny ratsy lavitra ny Andriamanitrao, efa nankamamy ny tangin’ny mpijangajanga, teny am-pamoloana rehetra teny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry Israely ô! Aoka izay ny fetim-pifaliana mihoa-pampana toy ny fanaon’ireo firenen-kafa. Fa efa nanalavitra an’Andriamanitrao ianao tamin’ny fivarotan-tena nataonao sy tamin’ny fitiavan-karama maloto teny am-pivelezam-bary rehetra teny.
Malagasy Bible 1865
Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mifaly ry Israely, aza faly loatra toy ny firenena hafa, fa efa nijangajanga niala tamin’Andriamanitrao ianao, sady efa tia karama maloto teny am-pamoloana rehetra teny!
malagasy
Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;