Hosea 9:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny voaloboka any an-tany efitra no nahitako ny Israely. Toy ny aviavy malady masaka no nahitako ny razanareo. Nefa ireny dia tonga tany Baala-Peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, ary tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tahaka ny voaloboka any an’efitra no ahitako an’i Israely; tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora no nahitako ny razanareo. Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo, sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta, ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala -Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny voaloboka any an-tany efitra no nahitako ny Israely. Toy ny aviavy malady masaka no nahitako ny razanareo. Nefa ireny dia tonga tany Baala-Peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, ary tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy.
malagasy