Hosea 9:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Voaratra i Efraima, maina ny fotony ka tsy hamoa intsony izy; eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny nateraky ny kibony izay mahafinaritra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Voa i Efraima, maina ny fakany, tsy hanoa intsony izy ireo; ary na dia miteraka aza izy, hovonoiko ny malalany naloaky ny kibony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Voavely i Efraîma: maina ny fàkany ka tsy hamoa intsony izy. Na dia miteraka aza ny vehivavy ao aminy, dia hataoko maty ihany ny malala naloaky ny kibony.»
Malagasy Bible 1865
Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Voaratra i Efraima, maina ny fotony ka tsy hamoa intsony izy; eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny nateraky ny kibony izay mahafinaritra azy.
malagasy
Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.Harian'Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa izy.