Hosea 9:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa e! Lasa nandositra ny fandringanana izy; i Ejipta no hanangona azy, i Memfisa no handevina azy; ho rakotry ny songosongo mandady ny fanaka volafotsiny sarobidy; tsilo no ho ao an-dainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro lasa izy ireo teo anatrehan’ny fandringanana: i Ejipta handray azy, ary i Memfisy handevina azy; ny fanaka volafotsiny sarobidy, ho rembin’ny beroberok’amboa ny lainy ho tongan’ny tsilo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga ny fandringanana ka mihahaka ny vahoaka, dia hanangona anareo i Ejipta; saingy Memfisa no ho fasanareo. Ho lovan-tsongosongo ny fana-bolafotsinareo sarobidy ary ho tongan’ny tsilo ny fonenanareo.
Malagasy Bible 1865
Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan'ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa e! Lasa nandositra ny fandringanana izy; i Ejipta no hanangona azy, i Memfisa no handevina azy; ho rakotry ny songosongo mandady ny fanaka volafotsiny sarobidy; tsilo no ho ao an-dainy.
malagasy
Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan'ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.[Na: miala amin']