Hosea 9:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miaraka amin’Andriamanitro ny mpitilin’i Efraima, dia ny mpaminany; eny amin’ny alehany rehetra ny haraton’ny mpamandri-borona ary tonga hatrany amin’ny tranon’Andriamaniny ny fankahalana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tilin’i Efraima dia ao amin’ny Andriamanitro; fandriky ny mpamandri-borona avokoa, no eny amin’ny alehan’ny mpaminany, ary fanenjehana no any amin’ny tranon’ny Andriamaniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miaraka amin’Andriamanitro ny mpitily ho an’i Efraîma, dia ilay mpaminany. Amelaram-pandrika izy amin’izay alehany rehetra; ary fanoherana no afitsoka azy hatrany an-tranon’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin'Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin'ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon'Andriamaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miaraka amin’Andriamanitro ny mpitilin’i Efraima, dia ny mpaminany; eny amin’ny alehany rehetra ny haraton’ny mpamandri-borona ary tonga hatrany amin’ny tranon’Andriamaniny ny fankahalana azy.
malagasy
Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin'Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin'ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon'Andriamaniny.[Na: Efraima dia tily tao amin'Andriamanitro]