Isaiah 1:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Henoy ny tenin’NY TOMPO, ry mpitondra an’i Sodoma! Atongilano amin’ny lalànan’Andriamanitsika ny sofinareo, ry vahoakan’i Gomora!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry mpitsaran’i Sôdôma; mitongilàna sofina amin’ny lalàn’ny Andriamanitsika, ry vahoak’i Gômôra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an’i Sôdôma; mandrenesa ny lalànan’ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an’i Gômôra:
Malagasy Bible 1865
Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Henoy ny tenin’NY TOMPO, ry mpitondra an’i Sodoma! Atongilano amin’ny lalànan’Andriamanitsika ny sofinareo, ry vahoakan’i Gomora!
malagasy
Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.