Isaiah 1:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? Hoy NY TOMPO. Efa tofoka amin’ny ondrilahy atao fanatitra dorana manontolo sy ny jaboran’ny zanak’omby mifahy Aho; tsy sitrako ny ran’ny vantotra ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy i Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hataoko inona moa, hoy ny TOMPO, ireo sorona marobe atolotrareo? Efa mankaleo Ahy mihitsy ny ondrilahy atao sorona dorana manontolo sy ny saboran-janak’omby nafahy. Tsy ankasitrahiko intsony na ny ran’ombilahy na ny ran’ny zanak’ondry na ny ran’osilahy.
Malagasy Bible 1865
Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? Hoy NY TOMPO. Efa tofoka amin’ny ondrilahy atao fanatitra dorana manontolo sy ny jaboran’ny zanak’omby mifahy Aho; tsy sitrako ny ran’ny vantotra ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.
malagasy