Isaiah 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mitondra fanati-poana intsony, fahavetavetana amiko ny fofony; ny amin’ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-pivoriana: Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahina ny heloka sy nyfivoriana ampahibemaso.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Atsaharo ny mitondra fanatitra fa tsy ilaina akory; maharikoriko Ahy ny eton’ny soronareo; atsaharo ny fankalazana ny tsinam-bolana sy ny sabata ary ny fetim-piangonana. Tsy zakako ny fanompoam-pivavahana mifangaro heloka.
Malagasy Bible 1865
Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mitondra fanati-poana intsony, fahavetavetana amiko ny fofony; ny amin’ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-pivoriana: Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
malagasy
Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!