Isaiah 1:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa ry lanitra! Atongilano ny sofinao ry tany! Fa NY TOMPO no miteny hoe: Nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, kanjo nikomy Tamiko ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihainoa, ry lanitra, ary ianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny i Iaveh: «Efa namelon-jaza Aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany, satria ny TOMPO no miteny hoe: «Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho; kanjo nikomy tamiko izy.
Malagasy Bible 1865
Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa ry lanitra! Atongilano ny sofinao ry tany! Fa NY TOMPO no miteny hoe: Nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, kanjo nikomy Tamiko ireo.
malagasy
[Ny alahelon'i Jehovah noho ny niodinan'ny Isiraely, ary ny nananarany azy sy ny nokasainy hatao aminy] Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.