Isaiah 1:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indrisy! Tonga janga ity tanàna nahatoky! Feno ny rariny izy taloha sady nitoeran’ny fahamarinana, fa ankehitriny kosa dia mpamono olona no ao aminy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ahoana no nahatongavany ho janga, izy ilay tanàna mahatoky sy feno fahamarinana, izay nonenan’ny fitsarana marina; fa ankehitriny kosa... mpamono olona no eo!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ahoana no nahatonga janga ity tanàna nahatoky? Feno rariny anefa tao taloha sady nitoeran’ny fahamarinana; fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
Malagasy Bible 1865
Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indrisy! Tonga janga ity tanàna nahatoky! Feno ny rariny izy taloha sady nitoeran’ny fahamarinana, fa ankehitriny kosa dia mpamono olona no ao aminy!
malagasy
Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.