Isaiah 1:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo lehibenao dia mpikomy sady naman’ny mpangalatra; samy tia kolikoly sy fatra-pitady tambitamby avokoa izy rehetra; tsy mba omeny rariny ny kamboty ary tsy avelany hoentina eo aminy ny adin’ny mpitondratena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny lehibenao mpikomy, sy naman’ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin’ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.
Malagasy Bible 1865
Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo lehibenao dia mpikomy sady naman’ny mpangalatra; samy tia kolikoly sy fatra-pitady tambitamby avokoa izy rehetra; tsy mba omeny rariny ny kamboty ary tsy avelany hoentina eo aminy ny adin’ny mpitondratena.
malagasy