Isaiah 1:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany dia hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Ilay Maherin’ny Israely: E! Hamely ny mpanohitra Ahy Aho ary hamaly faty ny fahavaloko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka noho izany - Teny ton’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, ilay Maherin’i Israely: - Edrey! hiala fo amin’ny mpandrafy Ahy Aho, sy hamaly an’ireo fahavaloko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, Ilay Maherin’i Israely, dia manao teny hentitra hoe: «Loza! hiala vonkina amin’ny mpanohitra Ahy Aho, ary hamaly faty amin’ireo fahavaloko!
Malagasy Bible 1865
Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany dia hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Ilay Maherin’ny Israely: E! Hamely ny mpanohitra Ahy Aho ary hamaly faty ny fahavaloko.
malagasy
Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.