Isaiah 1:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny omby dia mahalala ny tompony, ary ny boriky dia mahalala ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa ny Israely no tsy mahalala, ny oloko no tsy mahazo an-tsaina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny omby mahalala ny tompony; ary ny ampondra, ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa i Israely kosa tsy manam-pahalalana, ny vahoakako tsy mba manan-tsaina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny omby mahalala ny tompony manana azy, ary ny boriky mahalala ny fihinanam-bilona izay famahanan’ny tompony azy; Fa i Israely tsy te hahalala na inona na inona; eny, ny vahoakako tsy mba mahafantatra.»
Malagasy Bible 1865
Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny omby dia mahalala ny tompony, ary ny boriky dia mahalala ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa ny Israely no tsy mahalala, ny oloko no tsy mahazo an-tsaina.
malagasy
Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.