Isaiah 1:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mahery dia ho tahaka ny vohavoha, ny asany dia ho tahaka ny kilalaon’afo; hiaraka hirehitra izy roa tonta ary tsy hisy hamono ny afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny olo-mahery ho tahaka ny hoto, ary ny asany ho kilalaon’afo. Ka hiara-mirehitra izy roa tonta, sady tsy hisy olona hamono ny afo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho toy ny vohavoha ny lehilahy mahery ary ho toy ny kilalaon’afo ny asany hodorana miaraka izy roa tonta ka tsy misy hamono ny afo.
Malagasy Bible 1865
Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mahery dia ho tahaka ny vohavoha, ny asany dia ho tahaka ny kilalaon’afo; hiaraka hirehitra izy roa tonta ary tsy hisy hamono ny afo.
malagasy
Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.