Isaiah 1:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indrisy! Firenena mpanota, olona mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Nahafoy NY TOMPO izy, nanamavo ny Iray Masin’ny Israely, efa nikomy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Adray! ry ilay firenena mpanota, vahoaka mavesa-keloka, tarana-dratsy, zana-meloka! Nandao an’i Iaveh izy ireo, naniratsira an’Ilay Masin’i Israely, nihataka nihemotra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Loza! firenena mpanota ianao, ry Joda; vahoaka mivesatra heloka ianareo, solofon’ny mpanao ratsy, taranaka lomorina! Nilaozanareo ny TOMPO, nataonareo tsinontsinona ilay Masin’i Israely, fa niamboho Azy ianareo.
Malagasy Bible 1865
Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indrisy! Firenena mpanota, olona mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Nahafoy NY TOMPO izy, nanamavo ny Iray Masin’ny Israely, efa nikomy izy.
malagasy
Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.