Isaiah 1:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy izay tsy marary, ratra sy dian-kapoka ary fery vao tsy voatsabo na voafehy na voalemin’ny diloilo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha, tsy misy salama na dia kely aza, ao aminy: Tsy misy afa-tsy ratra, dian-kapoka, fery mangirifiry, tsy voasasa, na voabandy, na voalemin-diloilo akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo.
Malagasy Bible 1865
Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy izay tsy marary, ratra sy dian-kapoka ary fery vao tsy voatsabo na voafehy na voalemin’ny diloilo.
malagasy
Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy.