Isaiah 1:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lao ny taninareo; voadoro tamin’ny afo ny tanànanareo; lanin’ny hafa firenena eo imasonareo ny tanimbolinareo. Lao izy, toy ny efa noravan’ny hafa firenena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny taninareo, lao; ny tanànanareo levon’ny afo. Ny taninareo levon’ny hafa eo imasonareo; hoatra ny fandravan’ny olon-kafa firenena no fahasimbany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa lao ny taninareo, kilan’ny afo ny tanànanareo; ny tany novolenareo aza dia ny vahiny no nihinana ny vokany teo anatrehanareo, ka efa lao tokoa izany tahaka ny faharavàn’i Sôdôma.
Malagasy Bible 1865
Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lao ny taninareo; voadoro tamin’ny afo ny tanànanareo; lanin’ny hafa firenena eo imasonareo ny tanimbolinareo. Lao izy, toy ny efa noravan’ny hafa firenena.
malagasy
Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo.[Heb. hafa firenena]