Isaiah 10:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona no nakan’ny tanako ny harenan’ny firenena; ary tahaka ny famory atody nilaozan’ny reniny no namoriako ny any amin’ny tany rehetra: Tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopa elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny fakàna ny akanim-borona ka angoronana ny atody nilaozan-dreniny no nakako ny haren’ireo firenena sy nangoronako ny fananan’ny tany tontolo, ka tsy nisy afa-nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.»
Malagasy Bible 1865
Ary tahaka ny fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona no nakan’ny tanako ny harenan’ny firenena; ary tahaka ny famory atody nilaozan’ny reniny no namoriako ny any amin’ny tany rehetra: Tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.
malagasy