Isaiah 10:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny famaky va hirehareha amin’izay mampiasa azy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toa ny tsorakazo indray no mampihetsika izay manainga azy, ary ny tehina indray no manandratra izay tsy hazo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny famaky ve hirehareha amin’ny mpikapa? Ny tsofa ve hiavonavona amin’ny mpanatsofa? Mova tsy hoe ny tsorakazo indray no manetsika izay mpanainga azy, na mova tsy hoe ny kibay indray no manandratra ny olona mampiasa azy!
Malagasy Bible 1865
Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny famaky va hirehareha amin’izay mampiasa azy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toa ny tsorakazo indray no mampihetsika izay manainga azy, ary ny tehina indray no manandratra izay tsy hazo!
malagasy
Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony! [Heb. manandratra izay tsy hazo]