Isaiah 10:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary holevoniny tanteraka ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra. Ho tahaka ny fitofezaky ny marary mafy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa hofoanany hatramin’ny fanahy ka hatramin’ny vatana; hanahaka ny marary matin’ny singotr’àty izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Holevoniny tanteraka ny alany mirenty mbamin’ny sahany mahavokatra; ho toy ny marary miala aina izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak'izay marary mafy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary holevoniny tanteraka ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra. Ho tahaka ny fitofezaky ny marary mafy izany.
malagasy
Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak'izay marary mafy izany.[Na: ho tahaka ny fahatoranan'ny mpitondra faneva]