Isaiah 10:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Ry oloko izay monina any Ziona, aza matahotra ny Asiriana! Mamely anao amin’ny tsorakazo izy ary manainga ny tehiny aminao tahaka ny fanaon’i Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no hilazan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin’i Asora, ry vahoakako monina any Siôna, raha mamely anao amin’ny tsora-kazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toa an’i Ejipta taloha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no antony ilazan’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao hoe: «Aza matahotra an’i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiôna! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon’ny Ejiptianina taminao fahiny;
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Ry oloko izay monina any Ziona*, aza matahotra ny Asiriana! Mamely anao amin’ny tsorakazo izy ary manainga ny tehiny aminao tahaka ny fanaon’i Ejipta.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;