Isaiah 10:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandalo ao an-kadilanana izy. Ao Geba isika no handry! Hoy izy. Mangovitra i Rama, mandositra i Gibean’i Saoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihoatra ny hadilalana izy ireo, nitoby tao Gabà tamin’ny alina; raiki-tahotra mafy i Ramà, vaky nandositra i Gabaan’i Saola.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mamakivaky ny hadilanana izy sady miteny hoe: «Any Geba isika no hitoby anio alina.» Mangovitra noho ny tahotra ny ao Ramà; lasa mitsoaka ny ao Gibehà, izay tanàna fiavian’i Saoly.
Malagasy Bible 1865
Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandalo ao an-kadilanana izy. Ao Geba isika no handry! Hoy izy. Mangovitra i Rama, mandositra i Gibean’i Saoly.
malagasy
Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly;