Isaiah 10:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Inona no hataonareo amin’ny andro famaliana, rehefa ho tonga avy any lavitra ny fandringanana? Ho any amin’iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny voninahitrareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andro famalian’ny TOMPO, raha ho tonga avy any lavitra ny rambondanitra handrava, inona no azonareo atao, aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
Malagasy Bible 1865
Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Inona no hataonareo amin’ny andro famaliana, rehefa ho tonga avy any lavitra ny fandringanana? Ho any amin’iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny voninahitrareo?
malagasy
Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo? [Heb. voninahitrareo]