Isaiah 10:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mbola mijanona any Noba izy anio ary manofahofa ny tanany manambana ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy, dia ny havoanan’i Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indray andro sisa, dia any Nobe izy; hanainga tanana hamely ny tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna izy, hamely ny havoan’i Jerosalema!...
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa androtr’io ihany ny fahavalo dia maka toerana ao Nôba, ka maninji-tanana mandrahona an’i Tsiôna, dia ilay tendrombohitra mampahonena, ilay havoana iorenan’i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mbola mijanona any Noba izy anio ary manofahofa ny tanany manambana ny tendrombohitr’i Ziona* zanakavavy, dia ny havoanan’i Jerosalema.
malagasy
Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.