Isaiah 10:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, manapaka ny rantsany madinika amin-kery lehibe NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Izay mijoalajoala no voakapa ary izay tena avo no aetry;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika, mikapa ny sampan-kazo, ataony mikotrokotroka; ny avo indrindra, voakapa; ny lasa ambony indrindra voazera amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao fa manjera rantsana amin-kerisetra; voakapa ny hazo mijoalajoala, voadaboka ny hazo avo dia avo.
Malagasy Bible 1865
Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, manapaka ny rantsany madinika amin-kery lehibe NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Izay mijoalajoala no voakapa ary izay tena avo no aetry;
malagasy
Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.