Isaiah 10:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy misy azo atao afa-tsy mihohoka miaraka amin’ny mpifatotra sy mianjera miaraka amin’ny voavono. Kanefa na izany rehetra izany aza dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo, na lavo eo amin’ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao ihany no azonareo atao: hitanondrika miaraka amin’ireo babo na hidaboka miaraka amin’ireo maty. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
Malagasy Bible 1865
Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy misy azo atao afa-tsy mihohoka miaraka amin’ny mpifatotra sy mianjera miaraka amin’ny voavono. Kanefa na izany rehetra izany aza dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
malagasy
Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: Izay tsy mihohoka voatsindrin'ny babo dia ho lavo voatsindrin'ny voavono; na: Raha misaraka amiko, dia hihohoka, etc]