Isaiah 10:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hamely firenena ratsy fanahy no anirahako azy, ary hamely ny olona izay iharan’ny fahatezerako no andidiako azy, mba hamabo sy handroba ka hanitsakitsaka azy tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nirahiko izy hamely firenena tsy mpivavaka ary nalefako hamely vahoaka ratsy fanahy mba handroba sy hanangona babo avy aminy, ka hanosihosy azy toy ny fotaka eny an-dalambe.
Malagasy Bible 1865
Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hamely firenena ratsy fanahy no anirahako azy, ary hamely ny olona izay iharan’ny fahatezerako no andidiako azy, mba hamabo sy handroba ka hanitsakitsaka azy tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
malagasy
Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.[Na: ratsy fanahy]