Isaiah 11:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, hisy mitrebona avy eo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese, ary misy solofo haniry avy amin’ny fakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, hisy mitrebona avy eo aminy.
malagasy
[Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany;