Isaiah 11:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hipaoka ny havoanan’ny Filistina any andrefana ireo sady hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; amin’i Edoma sy Moaba no hanaingany ny tanany ary hanoa azy ny taranak’i Amona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanidina amin’ny soroky ny Filistinina any andrefana izy, ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; i Edôma sy i Moaba hasiany amin’ny tanany; ary ny taranak’i Amôna, hanoa azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hiara-kirohotra hiankandrefana eny amin’ny havoan’ny Filistinina izy roa tonta ary handeha hiantsinanana handroba ny foko any an-taniefitra, ka hanitatra ny fahefàny amin’i Edôma sy i Môaba ary hametraka ny Hamônita ho eo ambany fifehezany.
Malagasy Bible 1865
Fa hipaoka ny tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hipaoka ny havoanan’ny Filistina any andrefana ireo sady hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; amin’i Edoma sy Moaba no hanaingany ny tanany ary hanoa azy ny taranak’i Amona.
malagasy
Fa hipaoka ny tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa azy.