Isaiah 11:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hataon’NY TOMPO ho zavatra voaozona ny sakeli-dranomasin’i Ejipta, hanainga ny tanany amin’ny ony Eofrata Izy ka hamely azy amin’ny rivony mahamay; hokapohiny io dia hanjary sakeli-drano fito ary ho tafita amin’izany ny olona tsy miala kapa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin’i Ejipta, sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin’ny herin’ny rivony, dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito, ka hataony azo aleha tsy ialàn-kapa eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Handritra ny helo-dranomasin’i Ejipta ny TOMPO; haninji-tanana handrahona ny ony Eofrata Izy, ka ny rivo-mahery avy aminy no hizaràny azy hisampantsampana ho sakeli-drano fito izay ho azo diavin-tongotra tsy miala kapa.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin'ny ony ka hamely azy amin'ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hataon’NY TOMPO ho zavatra voaozona ny sakeli-dranomasin’i Ejipta, hanainga ny tanany amin’ny ony Eofrata Izy ka hamely azy amin’ny rivony mahamay; hokapohiny io dia hanjary sakeli-drano fito ary ho tafita amin’izany ny olona tsy miala kapa.
malagasy
Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin'ny ony ka hamely azy amin'ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.[Na: hanao azy ho herema][Eofrata]Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.