Isaiah 11:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisy lalana voavoatra halehan’ny olony sisa, izay ho sisa avy any Asiria, toy ny ho an’ny Israely tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hisy lalana halehan’ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin’ny tany Asirianina, toy ny nisy halehan’i Israely, tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisy lalana ho an’ny sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, tahaka izay niseho fahiny tamin’i Israely fony izy niakatra avy tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hisy lalana voavoatra halehan’ny olony sisa, izay ho sisa avy any Asiria, toy ny ho an’ny Israely tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta.
malagasy
Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.