Isaiah 11:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny madinika ary homeny rariny ny mahantra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny ratsy fanahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.
Malagasy Bible 1865
Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny madinika ary homeny rariny ny mahantra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny ratsy fanahy.
malagasy
Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.