Isaiah 11:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hiara-mitoetra amin’ny amboadia ny zanak’ondry, hiara-mandry amin’ny zanak’osy ny leoparda; hiray toerana ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy ka zazalahy kely no hitari-dalana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry, ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy, hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin’ny zanak’ondry, ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ny zanak’omby sy ny liona tanora hiara-mihinana ka zazalahy kely no hitarika azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hiara-mitoetra amin’ny amboadia ny zanak’ondry, hiara-mandry amin’ny zanak’osy ny leoparda; hiray toerana ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy ka zazalahy kely no hitari-dalana azy.
malagasy
Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa]