Isaiah 11:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana ny zaza minono ary hanatsotra ny tanany ao amin’ny lavaky ny bibilava ny zaza mitsaha-nono.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana; ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tavany ao an-davaky ny baziliky.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zaza mbola minono hilalao eo an-davaky ny bibilava; ary ny zaza misara-nono hanatsofoka ny tanany ao an-davaky ny menarana.
Malagasy Bible 1865
Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky ny menarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana ny zaza minono ary hanatsotra ny tanany ao amin’ny lavaky ny bibilava ny zaza mitsaha-nono.
malagasy
Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky ny menarana. [Na: voamason']