Isaiah 12:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hiteny ianao amin’izany andro izany hoe: Hidera Anao aho TOMPO ô; fa na dia tezitra tamiko aza Ianao dia afaka ihany ny fahatezeranao ka mampionona ahy Ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia izao no holazainao amin’izany andro izany: «Midera Anao aho, ry Iaveh, fa tezitra Ianao, nefa nihodivitra ny hatezeranao, ka mampionona ahy Ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, ry olona voaavotra, dia hiteny ianao ka hanao hoe: «Midera Anao aho, TOMPO ô; fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia afaka ny fahatezeranao ka nampionona ahy Ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary hiteny ianao amin'izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hiteny ianao amin’izany andro izany hoe: Hidera Anao aho TOMPO ô; fa na dia tezitra tamiko aza Ianao dia afaka ihany ny fahatezeranao ka mampionona ahy Ianao.
malagasy
Ary hiteny ianao amin'izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao. [Na: Fa tezitra tamiko Hianao, nefa]