Isaiah 13:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny kintan’ny lanitra sy ireo Telonohorefy aza dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany intsony, ny masoandro dia ho maizina amin’ny fiposahany ary ny volana dia tsy hangarangarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany, ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny kintana eny an-danitra, na ny telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavàny intsony; vao miposaka ny masoandro dia ho maizina, ary ny volana tsy handefa ny tarany intsony.
Malagasy Bible 1865
Fa ny kintan'ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin'ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny kintan’ny lanitra sy ireo Telonohorefy aza dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany intsony, ny masoandro dia ho maizina amin’ny fiposahany ary ny volana dia tsy hangarangarana.
malagasy
Fa ny kintan'ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin'ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.