Isaiah 13:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy honenana intsony izy, ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Tsy hisy mpifindrafindra monina hanorin-day ao, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary tsy honenana intsony amin’ny taona mifandimby izy; ny Arabo tsy hanangan-day eo; ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy honenana intsony i Babilôna ary tsy hisy mponina mandrakizay. Tsy hanorin-day ao ny mpifindrafindra lasy ary tsy hampandry ondry ao ny mpiandry ondry.
Malagasy Bible 1865
Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin'ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy honenana intsony izy, ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Tsy hisy mpifindrafindra monina hanorin-day ao, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny;
malagasy
Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin'ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;