Isaiah 13:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa ny biby any an-tany efitra no hitoetra ao, ho feno vorondolo ny tranony; ny aotirisy no hitoetra any ary ny osilahy no hitsambikimbikina any.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny bibidia eny an’efitra no hanao ny lavany eo, ny vorondolo no hameno ny tranony; ny ostritsa no honina any, ary ny satira no hifalihavanja eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sakadia no hiorim-ponenana ao ary vorondolo no hameno ny tranony. Vorombe no hanao akany ao ary osidia no hifalihavanja ao.
Malagasy Bible 1865
Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa ny biby any an-tany efitra no hitoetra ao, ho feno vorondolo ny tranony; ny aotirisy no hitoetra any ary ny osilahy no hitsambikimbikina any.
malagasy
Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,[Na: hyena][Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7]Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.[Heb. jakala][Heb. mpitondratenany][Na: jakala]