Isaiah 13:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny kary no hifampierona ao an-tranobeny ary ny amboadia no ho ao amin’ny lapa mirentirenty. Efa antomotra ny fotoanany ary tsy hatao ela intsony ny androny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amboadia no hierona ao an-dapany lao; ary ny alikadia ao an-trano firavoravoany. Efa antomotra ny fotoany, ary tsy hohalavaina ny androny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fosa no hinaonaona ao an-tranobeny, ary ny amboadia no honina ao an-dapany. Akaiky ho tonga ny oran’i Babilôna; ary tsy hisy hataka andro intsony ho azy.
Malagasy Bible 1865
Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny kary no hifampierona ao an-tranobeny ary ny amboadia no ho ao amin’ny lapa mirentirenty. Efa antomotra ny fotoanany ary tsy hatao ela intsony ny androny.
malagasy
Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.[Heb. jakala][Heb. mpitondratenany][Na: jakala]