Isaiah 13:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nandidy ireo nohamasiniko Aho sady niantso ny lehilahy mahery fo; dia ireo mibitaka sy mirehareha mba hahatanteraka ny fahatezerako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho kosa efa nanome didy an’ireo natokako, ary efa niantso ireo lehilahy maheriko hoentiko hahafa-po ahy amin’ny hatezerako, izay miarahaba ny fiandrianako, amin’ny hobin-kafaliana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho mihitsy no mibaiko ireo voatokana ho Ahy Izaho koa no niantso ireo mpiady mahery, dia ireo faly handresy ho voninahitro mba hanehoana ny fahatezerako.»
Malagasy Bible 1865
Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa nandidy ireo nohamasiniko Aho sady niantso ny lehilahy mahery fo; dia ireo mibitaka sy mirehareha mba hahatanteraka ny fahatezerako.
malagasy
Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.