Isaiah 13:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Injany ny horakoraka any an-tendrombohitra! Tahaka ny an’ny vahoaka marobe! Ny tabataba ataon’ireo fanjakana, ireo firenena maro tafatambatra! Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no misafo tafika hiady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra, toa hahohahom-bahoaka be; injany re ny tabataban’ny fanjakana, ny firenena tafavory: i Iavehn’ny tafika izany mampanao matso ireo miaramilany mpiantafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon’ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn’izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady.
Malagasy Bible 1865
Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be! Dia ny fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro, no manomana miaramila hiady,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Injany ny horakoraka any an-tendrombohitra! Tahaka ny an’ny vahoaka marobe! Ny tabataba ataon’ireo fanjakana, ireo firenena maro tafatambatra! Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no misafo tafika hiady.
malagasy
Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be! Dia ny fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro, no manomana miaramila hiady,[Na: firenena lehibe]