Isaiah 14:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO hamindra fo amin’i Jakoba ary mbola hifidy ny Israely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny; hikambana aminy ny vahiny ary hiombona amin’ny taranak’i Jakoba izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Jakôba kosa hiantran’i Iaveh, ary i Israely mbola hofidiny; hamponeniny amin’ny taniny indray izy; ny hafa firenena hikambana aminy, sy hiraikitra amin’ny taranak’i Jakôba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah hamindra fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho namany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO hamindra fo amin’i Jakoba ary mbola hifidy ny Israely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny; hikambana aminy ny vahiny ary hiombona amin’ny taranak’i Jakoba izy.
malagasy
Fa Jehovah hamindra fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho namany