Isaiah 14:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Navarina ho atỳ amin’ny fitoeran’ny maty ny tabiha sy reharehanao mbamin’ny feon’ny valihanao; kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivarina amin’ny Seoly ny reharehanao, mbamin’ny feom-balihanao. Voalafika kankana ianao, ary olitra no irakofanao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Atỳ amin’ny fonenan’ny maty atỳ no navarina ny fireharehànao niaraka tamin’ny feom-balihanao. Kankana no ho kidoronao ary olitra no ho firakotrao.
Malagasy Bible 1865
Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Navarina ho atỳ amin’ny fitoeran’ny maty ny tabiha sy reharehanao mbamin’ny feon’ny valihanao; kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.
malagasy
Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.[Heb. Sheola]