Isaiah 14:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Endre! Nilatsaka avy tany an-danitra ianao, ry kintana fitarikandro, zanaky ny maraina! Voakapa hianjera amin’ny tany ianao, ry ilay mpampanaiky firenena!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Akory ity ianao no potraka avy any an-danitra, ry kintana mamirapiratra, zanaky ny maraina? Akory ity ianao no mitsingidina amin’ny tany, ianao ilay mpandrava firenena?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nahoana ianao no latsaka avy any an-danitra ambony any, ry ilay kintana mamirapiratra toy ny kintana fitarikandro! Nazera amin’ny tany ianao ity, ry ilay nandresy firenena maro!
Malagasy Bible 1865
Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Endre! Nilatsaka avy tany an-danitra ianao, ry kintana fitarikandro, zanaky ny maraina! Voakapa hianjera amin’ny tany ianao, ry ilay mpampanaiky firenena!
malagasy
Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.