Isaiah 14:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisy olona maro haka azy ka hanatitra azy hody, ary ny taranak’Israely dia hanana azy ho mpanompolahy sy mpanompovavy ao amin’ny tanin’NY TOMPO. Ho tonga mpamabo ireo izay namabo azy izy, ary hampanompo izay nampahory azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny firenena no haka azy, ka hanatitra azy hody, ary ny taranak’i Israely handray azy ireo ho an’ny tenany, ao amin’ny tanin’i Iaveh, ho mpanompo lahy ama-mpanompo vavy; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy, sy hanapaka an’ireo nampahory azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vahoakan’ny firenen-kafa no handray adidy hampody azy any an-tanindrazany. Ary eo amin’ny tanin’ny TOMPO, dia ho fananan’ny taranak’i Israely ireo hafa firenena, ka hataony ankizilahy sy ankizivavy; ireo namabo azy no hobaboiny, ary ireo nampahory azy no hataony mpanompo.
Malagasy Bible 1865
Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak'Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin'ny tanin'i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hisy olona maro haka azy ka hanatitra azy hody, ary ny taranak’Israely dia hanana azy ho mpanompolahy sy mpanompovavy ao amin’ny tanin’NY TOMPO. Ho tonga mpamabo ireo izay namabo azy izy, ary hampanompo izay nampahory azy.
malagasy