Isaiah 14:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Omàny ny famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany! Aoka izy tsy hitsangana haka ny tany indray ka hanorina tanàna manerana an’izao tontolo izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manomàna famonoana hamelezana ny taranany, noho ny helok’ireo razany. Aza tafarina intsony hampanaiky ny tany izy ireo, aoka anie ka tsy handrakotra tanàna ny vohon’ny tany izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miomàna handringana ny zanany ianareo noho ny heloka bevava nataon’ny rainy, fandrao hitsangana haka ny tany indray ireny ka handrakotra tanàna an’izao tontolo izao.
Malagasy Bible 1865
Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran'izao tontolo izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Omàny ny famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany! Aoka izy tsy hitsangana haka ny tany indray ka hanorina tanàna manerana an’izao tontolo izao.
malagasy
Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran'izao tontolo izao.