Isaiah 14:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanorotoro ny Asiriana ao amin’ny taniko Aho ary hanitsakitsaka azy eny amin’ny tendrombohitro; ny ziogany dia hesorina amin’ireo ary ny entany dia ho afaka amin’ny sorony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanorotoro an’i Asora amin’ny taniko aho, ary hanosihosy azy eo an-tendrombohitro. Dia hoesorina amin’izy ireo ny jiogany, ary halana eo an-tsorok’izy ireo ny entany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao amin’ny taniko no hanamontsanako ny Asirianina, eny an-tendrombohitro no hanosihoseko azy. Hoesoriko ny zioga nampitondrainy ny vahoakako, hoesoriko eny an-tsorony ny entana namesarany azy.»
Malagasy Bible 1865
Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin'ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin'ireo, ary ny entany ho afaka amin'ny sorony
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanorotoro ny Asiriana ao amin’ny taniko Aho ary hanitsakitsaka azy eny amin’ny tendrombohitro; ny ziogany dia hesorina amin’ireo ary ny entany dia ho afaka amin’ny sorony.
malagasy
Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin'ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin'ireo, ary ny entany ho afaka amin'ny sorony