Isaiah 14:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mifaly, ry tanin’ny Filistina manontolo, satria hoe tapaka ny tsorakazo namely anao! Fa avy ao an-kibon’ny bibilava no hiavian’ny menarana, ary ny aterany dia ho tonga dragona manidina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza manaram-po amin’ny fifaliana, ry Filistinina manontolo, noho ny nahatapahan’ny tsora-kazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza mifaly ambony ihany ianareo, ry Filistinina rehetra, na dia tapaka aza ny tsorakazo izay nikapohana anareo, satria hisy menarana hipoitra avy amin’ny fatin’ny bibilava ary hisy dragona manidina hipoitra avy amin’ny atodin’ny menarana.
Malagasy Bible 1865
Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon 'ny bibilava no hihavian'ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran'afo manidina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mifaly, ry tanin’ny Filistina manontolo, satria hoe tapaka ny tsorakazo namely anao! Fa avy ao an-kibon’ny bibilava no hiavian’ny menarana, ary ny aterany dia ho tonga dragona* manidina.
malagasy
Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon'ny bibilava no hihavian'ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran'afo manidina.[Heb. fakan'][Heb. sarafa]